FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Daniela 1:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary tamin’izay rehetra nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany hoe nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina avo folo heny izy ireo, raha oharina amin’ny mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty,+ eran’ny fanjakany.

  • Daniela 4:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘Ry Beltesazara lehiben’ny mpisorona mpanao sikidy ô!+ Fantatro tsara fa miasa aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina,+ ka tsy misy zava-miafina tsy hainao hazavaina.+ Hazavao amiko àry ny fahitana hitako tao amin’ny nofy, dia lazao amiko ny dikany.

  • Daniela 5:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Misy lehilahy* iray manana ny fanahin’ireo andriamanitra masina, eto amin’ny fanjakanao. Tamin’ny andron’i Nebokadnezara Mpanjaka rainao, dia hita fa nanam-pahalalana sady lalin-tsaina izy, ary nanana fahendrena toy ny an’ireo andriamanitra.+ Ary izy no notendren’ny rainao ho lehiben’ny mpisorona mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina* ary ny mpanandro.+ Izany no nataon’ny rainao, ry mpanjaka ô! 12 Fa marani-tsaina tsy misy hoatr’izany i Daniela, izay nantsoin’ny mpanjaka hoe Beltesazara,+ ary manam-pahalalana sy lalin-tsaina, ka mahay milaza ny dikan’ny nofy, sady mahavita manazava ny dikan’ny teny saro-pantarina sy mahavaha olana saro-bahana.*+ Dia aleo izy hampanantsoina fa holazainy aminao ny dikan’io soratra io.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara