-
Estera 3:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nantsoina ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro faha-13 amin’ny volana voalohany. Nosoratan’izy+ ireo daholo ny didy navoakan’i Hamana ho an’ny lehibem-paritany notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka izay soratra fampiasan’ny faritany* tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany. Natao tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka koa ilay izy, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+
-
-
Estera 8:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nosoratan’i Mordekay tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka ilay taratasy, sady notombohiny tamin’ny peratra fanombohan-kasen’ny+ mpanjaka. Nampitondrainy an’ireo mpitondra hafatra mitaingina soavaly ilay izy avy eo. Soavaly mahery mandeha sady natokana ho amin’ny fanompoana ny mpanjaka no nitaingenan’izy ireo.
-