FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 20:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “‘Ankatoavy ny fitsipiko rehetra sy ny didim-pitsarako rehetra+ ka tanteraho,+ mba tsy handoa anareo ilay tany hitondrako anareo mba hipetrahanareo.+

  • Deoteronomia 28:63, 64
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 63 “Faly erỳ i Jehovah taloha rehefa nataony nandeha tsara ny fiainanareo sady nataony lasa be dia be ianareo. Dia hoatr’izany koa fa ho faly i Jehovah handringana anareo sy handripaka anareo. Fa hesorina hiala eo amin’ilay tany efa halainareo ho anareo ianareo.

      64 “Ary haparitak’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra ianao, hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray,+ ka any ianao no hanompo andriamanitra vato aman-kazo, izay tsy fantatrao sy ny razambenao.+

  • Josoa 23:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hoatran’ny nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo+ koa anefa, no hampiharan’i Jehovah aminareo ny loza* rehetra nolazainy hoe hanjo anareo, sy handringanany anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+ 16 Raha mivadika amin’ny fifanekena nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nohajainareo ianareo, ary mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka amin’izy ireny, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah,+ ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany tsara nomeny anareo.”+

  • 1 Mpanjaka 9:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Raha miala amiko anefa ianareo sy ny zanakareo, ka tsy mankatò ny didy sy ny lalàna nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan’ireny,+ 7 dia horoahiko tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony,+ ary ny Israely hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara