-
Jeremia 49:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Naheno tatitra avy amin’i Jehovah aho.
Nisy olona nirahina hankany amin’ireo firenena hilaza hoe:
“Miangòna dia andao hanafika azy,
Miomàna hiady aminy!”+
15 “Fa nataoko tsy misy dikany ianao eo amin’ireo firenena,
Ary nataoko lasa tsinontsinona eo anatrehan’ny olona.+
16 Namitaka anao ny fampihorohoroana nataonao
Sy ny fireharehan’ny fonao,
Ry ilay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato
Sy monina eny amin’ny havoana avo indrindra.
Na manorina ny akaninao eny amin’ny avo toy ny ataon’ny voromahery aza ianao,
Dia hampidiniko avy eny”, hoy i Jehovah.
-