FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 28:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Fa hitsangana hoatran’ny teo amin’ny Tendrombohitra Perazima i Jehovah,

      Ary hihetsika toy ny teo amin’ny lohasaha* eo akaikin’i Gibeona,+

      Mba hanao zavatra, dia zavatra hafahafa,

      Ary mba hanatanteraka ny asany, dia ilay asany tsy mahazatra.+

  • Isaia 29:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Noho izany, dia hanao zava-mahagaga amin’ity vahoaka ity indray aho,+

      Dia zava-mahagaga be dia be.

      Dia ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny,

      Ary tsy hahazo hevitra intsony ny olona malina eo aminy.”+

  • Fitomaniana 4:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Namoaka ny hatezerany i Jehovah.

      Nanampatra ny fahavinirany izy.+

      Ary mandrehitra afo ao Ziona izy handevonana ny fototra iorenany.+

      ל [Lameda]

      12 Tsy nino ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’ny tany

      Hoe hiditra eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema+ ny mpanohitra sy ny fahavalo.

  • Asan’ny Apostoly 13:40, 41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Koa tandremo sao hihatra aminareo ny voalaza ao amin’ny Mpaminany hoe: 41 ‘Jereo izany, ry mpaniratsira, dia aoka ianareo ho gaga amin’izany ary ho ripaka. Manao zavatra aho mantsy amin’izao andronareo izao, dia zavatra tsy hinoanareo mihitsy, na dia misy mitantara aminareo amin’ny an-tsipiriany aza.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara