-
2 Tantara 33:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Taorian’izay, dia nanorina manda ivelany ho an’ny Tanànan’i Davida+ izy, teo andrefan’i Gihona,+ teo amin’ny lohasaha,* ka hatrany amin’ny Vavahadin-trondro.+ Ary nataony nihodidina hatrany Ofela ilay manda,+ sady nataony avo be. Nanendry lehiben’ny tafika tany amin’ny tanàna rehetra voaro mafy tany Joda koa izy.
-
-
Nehemia 12:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Nandeha niankavia* kosa ilay antoko-mpihira iray mpanao hira fisaorana, ary nanaraka tao aorianany izaho sy ny antsasaky ny vahoaka. Nandalo teo amin’ny Tilikambon’ny Lafaoro+ izahay, dia nankeo amin’ny Manda Lehibe,+ 39 ary nandalo teo ambonin’ny Vavahadin’i Efraima+ sy ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha,+ dia nankany amin’ny Vavahadin-trondro+ sy ny Tilikambon’i Hananela+ sy ny Tilikambon’i Mea, ka hatrany amin’ny Vavahadin’ondry.+ Dia nijanona teo amin’ny Vavahadin’ny Mpiambina izahay.
-