-
Isaia 42:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tsy hiantsoantso izy na hihogahoga,
Ary tsy hataony heno eny an-dalana ny feony.+
-
-
Marka 1:44, 45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 sady noteneniny hoe: “Tandremo sao resadresahinao amin’olona izao. Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona, ary satria nodiovina ianao, dia atolory ny zavatra nasain’i Mosesy nomena,+ mba ho hitan’izy ireo fa sitrana ianao.”+ 45 Kanjo vao lasa ilay lehilahy, dia niresaka sy nitantara an’ilay izy hatraiza hatraiza. Koa tsy nisy tanàna azon’i Jesosy nidirana intsony satria tonga dia fantatry ny olona izy. Nijanona tany ivelan’ny tanàna tany amin’ny toerana mitokana àry izy. Tonga teo aminy foana anefa ny olona avy teny rehetra teny.+
-