34 Noho izany, dia maniraka mpaminany+ sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso+ ho any aminareo aho. Ny sasany hovonoinareo ho faty+ sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo+ ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo+ isan-tanàna.
9 “Ianareo kosa mitandrema, fa hanolotra anareo any amin’ny fitsarana ny olona.+ Hokapohina any amin’ny synagoga ianareo,+ ary hoentina any amin’ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehany.+