-
1 Mpanjaka 17:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Mitsangàna dia mandehana any Zarefata any Sidona, ary mijanòna any. Fa misy vehivavy mpitondratena hasaiko manome sakafo anao any.”+ 10 Nitsangana àry izy ka nankany Zarefata. Rehefa tonga teo amin’ny fidirana amin’ilay tanàna izy, dia nahita vehivavy mpitondratena naka kitay. Niantso azy i Elia, dia niteny hoe: “Mba itondray rano kely amin’ny kaopy re aho hosotroiko e!”+
-
-
1 Mpanjaka 17:20-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia niantso mafy an’i Jehovah izy hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô,+ nahatonga loza tamin’ity mpitondratena nampiantrano ahy ity koa ve ianao ka nahafaty ny zanany?” 21 Dia nitsotra intelo teo ambonin’ilay ankizy izy, sady niantso mafy an’i Jehovah hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô! Mba ataovy re izay hampiverina ny ain’ity ankizy ity e!” 22 Dia nohenoin’i Jehovah ny fangatahan’i+ Elia ka niverina ny ain’ilay ankizy, ary velona indray+ izy. 23 Dia noraisin’i Elia ilay ankizy, ka nentiny nidina avy tao amin’ilay efitra tany an-tampon-trano, ary nomeny an-dreniny tao an-trano. Dia hoy i Elia: “Io fa velona ny zanakao.”+
-
-
2 Mpanjaka 4:13-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: “Lazao aminy, azafady, hoe: ‘Nisahirana be ianao nikarakara anay.+ Koa inona no mba azoko atao ho anao?+ Misy zavatra tianao horesahiko amin’ny mpanjaka+ na amin’ny lehiben’ny tafika ve?’” Namaly anefa ilay vehivavy hoe: “Tsisy ka! Izaho ange eto amin’ny havako ihany e!” 14 Hoy àry i Elisa: “Inona izany no azo atao ho azy?” Dia niteny i Gehazy hoe: “Tsy manan-janaka lahy izy,+ sady efa antitra ny vadiny.” 15 Tonga dia hoy i Elisa: “Antsoy àry izy.” Dia nantsoiny ilay vehivavy, ka nijoro teo am-baravarana. 16 Ary niteny taminy i Elisa hoe: “Hitrotro zanakalahy ianao amin’ny herintaona hoatr’izao.”+ Hoy anefa ilay vehivavy: “Aiza koa no hisy an’izany, tompoko ô! Aza dia mandainga amin’ny mpanomponao re, ry lehilahin’Andriamanitra ô!”
17 Bevohoka tokoa anefa ilay vehivavy, ka tera-dahy rehefa afaka herintaona, araka ny tenin’i Elisa taminy.
-