FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Jereo fa izaho no izy,+

      Fa tsy misy andriamanitra afa-tsy izaho.+

      Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona.+

      Izaho no mandratra mafy,+ ary izaho no hanasitrana.+

      Tsy misy mahavita mamonjy an’izay etỳ an-tanako.+

  • 1 Samoela 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 I Jehovah no mamono mahafaty sy mitsimbina ny aina;*

      Izy no mampidina any amin’ny Fasana,* sy mampiakatra avy any.+

  • 2 Mpanjaka 4:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Tamin’i Elisa tonga tao amin’ilay trano, dia efa natsotra teo am-pandrianan’i Elisa ilay zaza maty.+

  • 2 Mpanjaka 4:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Niakatra teo amin’ilay fandriana izy avy eo, ary nitsotra teo ambonin’ilay zaza, ka nataony teo amin’ny vavan’ilay zaza ny vavany, teo amin’ny masony ny masony, ary teo amin’ny felatanany ny felatanany. Dia niondrika teo amboniny elaela izy, ka nihanafana ny vatan’ilay zaza.+

  • 2 Mpanjaka 13:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lioka 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lioka 8:54, 55
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 54 Nandray ny tanany anefa i Jesosy, ka niantso hoe: “Ry zazavavy, miarena!”+ 55 Dia nody indray ny ainy,*+ ka niarina avy hatrany+ izy ary nasain’i Jesosy nomena sakafo.

  • Jaona 5:28, 29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Jaona 11:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Asan’ny Apostoly 9:40, 41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Nasain’i Petera nivoaka daholo ny olona avy eo,+ ary nandohalika izy ka nivavaka. Dia nitodika tany amin’ilay faty izy, ka niteny hoe: “Ry Tabita, miarena!” Dia nosokafan’i Tabita ny masony, ka nipetraka izy+ raha vao nahita an’i Petera. 41 Natolotr’i Petera azy ny tanany ka natsangany izy. Ary nantsoiny ny olona masina sy ny vehivavy maty vady, dia nasehony azy ireo hoe velona izy.+

  • Asan’ny Apostoly 20:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely, ary resin-tory izy raha mbola nanao lahateny i Paoly. Natory be mihitsy izy, ka nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa. Rehefa narenina izy, dia hita fa maty. 10 Nidina anefa i Paoly ka niantoraka teo aminy ary namihina azy,+ dia niteny hoe: “Aza misahotaka intsony fa efa velona izy.”+

  • Romanina 14:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fa maty i Kristy dia avy eo velona indray mba ho Tompon’ny maty sy ny velona.+

  • Hebreo 11:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Finoana no nahatonga an’i Abrahama ho hoatran’ny hoe efa nanao sorona an’i Isaka mihitsy, tamin’izy notsapaina.+—Vonona hanao sorona ny zanany lahitokana+ ilay lehilahy izay faly erỳ nahazo ny fampanantenana.—Vonona hanao an’izany izy,

  • Hebreo 11:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Fantany mantsy fa vitan’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza. Ary naverina taminy indray io zanany io na dia toy ny hoe efa maty aza, ka lasa misy heviny an’ohatra izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara