FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 12:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Deoteronomia 23:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Raha mankeny amin’ny sahan’olona misy varimbazaha ianao, dia mahazo mioty salohy masaka amin’ny tananao, fa tsy tokony hojinjainao amin’ny antsy fijinjana ny varimbazahan’olona.+

  • Marka 2:23-28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Indray Sabata izay, tamin’izy nandeha teny an-tanimbary, dia nioty salohim-bary* ny mpianany sady nandeha ihany.+ 24 Dia hoy ny Fariseo taminy: “Jereo! Fa maninona ireo no manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata?” 25 Hoy anefa izy tamin’ny Fariseo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida rehefa tsy nanan-kohanina izy, ka noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ilay fitantarana momba an’i Abiatara+ lehiben’ny mpisorona, dia nihinana ny mofo atolotra.* Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa afa-tsy ny mpisorona ihany.+ Ary nomeny koa izay niaraka taminy.” 27 Hoy izy tamin’ireo avy eo: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona,+ fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata. 28 Tompon’ny Sabata koa aza ny Zanak’olona.”+

  • Lioka 6:1-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nandeha teny an-tanimbary i Jesosy sy ny mpianany, indray sabata izay. Nioty salohim-bary*+ ny mpianany, ka nokosikosehin’izy ireo tamin’ny tanany+ izany dia nohaniny. 2 Dia hoy ny Fariseo sasany: “Fa maninona ianareo no manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata?”+ 3 Namaly anefa i Jesosy hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ary nomena azy ny mofo atolotra,* dia nohaniny izany ary nomeny koa ny olona niaraka taminy. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa, afa-tsy ny mpisorona ihany.”+ 5 Avy eo dia hoy izy tamin’ireo: “Ny Zanak’olona no Tompon’ny Sabata.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara