FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 12:1-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Indray mandeha, dia nandeha teny an-tanimbary i Jesosy sy ny mpianany. Sabata ny andro tamin’izay. Ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary,* dia nihinana.+ 2 Hoy ny Fariseo rehefa nahita an’izany: “Jereo fa manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata+ ny mpianatrao!” 3 Dia hoy izy tamin’ireo: “Mbola tsy novakinareo angaha ilay nataon’i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, dia nihinana ny mofo atolotra*+ ry zareo. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa na izy na ny olona niaraka taminy, afa-tsy ny mpisorona ihany.+ 5 Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Lalàna koa angaha fa miasa amin’ny andro sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly, nefa tsy meloka hoe mandika lalàna?+ 6 Lazaiko aminareo anefa fa misy lehibe noho ny tempoly eto.+ 7 Raha mba azonareo mantsy ny hevitr’ilay hoe: ‘Aleoko olona mamindra fo,+ toy izay olona manao sorona’,+ dia tsy ho nomelohinareo izay tsy meloka. 8 Fa ny Zanak’olona no Tompon’ny Sabata.”+

  • Marka 2:23-28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Indray Sabata izay, tamin’izy nandeha teny an-tanimbary, dia nioty salohim-bary* ny mpianany sady nandeha ihany.+ 24 Dia hoy ny Fariseo taminy: “Jereo! Fa maninona ireo no manao zavatra tsy azo atao amin’ny Sabata?” 25 Hoy anefa izy tamin’ny Fariseo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida rehefa tsy nanan-kohanina izy, ka noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ilay fitantarana momba an’i Abiatara+ lehiben’ny mpisorona, dia nihinana ny mofo atolotra.* Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa afa-tsy ny mpisorona ihany.+ Ary nomeny koa izay niaraka taminy.” 27 Hoy izy tamin’ireo avy eo: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona,+ fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata. 28 Tompon’ny Sabata koa aza ny Zanak’olona.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara