-
Lioka 11:29-32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ary nihamaro ny vahoaka nitangorona, ka nanomboka niteny izy hoe: “Taranaka ratsy fanahy ity taranaka ity. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona.+ 30 Lasa famantarana ho an’ny mponin’i Ninive mantsy i Jona,+ ka ho toy izany koa ny Zanak’olona ho an’ity taranaka ity. 31 Hiaraka hatsangana amin’ny olona anisan’ity taranaka ity ny mpanjakavavin’ny atsimo+ amin’ny Andro Fitsarana ka hanameloka an’ireo. Avy any amin’ny faran’ny tany mantsy izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.+ 32 Hiaraka hitsangana amin’ity taranaka ity ny mponin’i Ninive amin’ny Andro Fitsarana ka hanameloka azy. Nibebaka mantsy izy ireo rehefa nitory taminy i Jona.+ Misy lehibe noho i Jona anefa eto.
-