-
Isaia 6:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary hoy izy: “Mandehana teneno ity vahoaka ity hoe:
‘Haheno foana ianareo,
Nefa tsy hahazo ny dikan’izay henonareo.
Ary hijery foana ianareo,
Saingy tsy hahalala na inona na inona mihitsy.’+
-
-
Marka 4:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony. Tsy hiverina amin’Andriamanitra mihitsy koa izy ka tsy hahazo famelan-keloka.”+
-
-
Asan’ny Apostoly 28:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 hoe: ‘Mandehana any amin’ity vahoaka ity ka lazao hoe: “Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 27 Fa efa lasa donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin’izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.”’+
-