-
Matio 13:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia tanteraka aminy ilay faminanian’i Isaia hoe: ‘Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henonareo mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 15 Fa efa lasa donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin’izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.’+
-
-
Lioka 8:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary nanontany azy momba ny hevitr’ilay fanoharana ny mpianany.+ 10 Dia hoy i Jesosy: “Ianareo no navela hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa fanoharana kosa no atao amin’ny olon-kafa,+ mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony.+
-
-
Asan’ny Apostoly 28:25-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely, fa i Paoly kosa niteny fotsiny hoe:
“Marina mihitsy ny tenin’ny fanahy masina tamin’ny razambenareo, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, 26 hoe: ‘Mandehana any amin’ity vahoaka ity ka lazao hoe: “Haheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 27 Fa efa lasa donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin’izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.”’+
-