-
Isaia 6:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary hoy izy: “Mandehana teneno ity vahoaka ity hoe:
‘Haheno foana ianareo,
Nefa tsy hahazo ny dikan’izay henonareo.
Ary hijery foana ianareo,
Saingy tsy hahalala na inona na inona mihitsy.’+
-
-
Matio 13:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy izy: “Ianareo no navela hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina+ momba ny Fanjakan’ny lanitra, fa ry zareo kosa tsy navela.
-
-
Matio 13:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Izany no antony anaovako fanoharana rehefa mampianatra an-dry zareo, satria mijery izy fa tsy mahita, maheno fa tsy mihaino akory, sady tsy mahazo ny dikan’ny zavatra henony.+
-
-
Marka 4:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary hoy izy tamin’ireo: “Ianareo no navela hahazo ny dikan’ny zava-miafina masina+ momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa amin’ny olon-kafa kosa, dia ataoko fanoharana daholo ny zava-drehetra ampianariko azy,+ 12 mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony. Tsy hiverina amin’Andriamanitra mihitsy koa izy ka tsy hahazo famelan-keloka.”+
-