-
Marka 7:25-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Vao tonga izy dia naheno ny momba azy ny vehivavy iray nanan-janaka vavikely nisy fanahy maloto, ka tonga niankohoka teo an-tongony.+ 26 Grika ilay vehivavy, ary olom-pirenena* syrianina-fenisianina. Ary niangavingavy azy ilay vehivavy mba hamoaka an’ilay demonia tamin’ny zanany vavy. 27 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Avelao aloha ho voky ny zaza, fa tsy mety raha alaina ny mofony ka atsipy ho an’ny alikakely.”+ 28 Hoy anefa ilay vehivavy: “Marina izany, tompoko! Fa na ny alikakely ao ambany latabatra koa aza ange mba mihinana ny poti-mofon-jaza e!” 29 Dia hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Noho ianao niteny an’izany, dia mandehana fa efa niala tamin’ny zanakao vavy ilay demonia.”+ 30 Koa lasa nody ilay vehivavy, ka hitany teo am-pandriana ilay zaza ary efa niala ilay demonia.+
-