-
Matio 15:22-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary iny fa nanatona azy ny vehivavy fenisianina iray avy ao amin’ilay faritra, sady niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao aho, ry Tompo Zanak’i Davida ô! Mijaly be ny zanako vavy fa misy demonia.”+ 23 Tsy namaly an’ilay vehivavy mihitsy anefa izy. Nanatona azy àry ny mpianany ka niteny taminy hoe: “Asaivo mandeha any izy fa miantsoantso foana ao aorianantsika ao.” 24 Dia hoy i Jesosy: “Ho any amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely+ ihany no nanirahana ahy.” 25 Nanatona azy anefa ilay vehivavy, dia niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: “Tompo ô, ampio aho!” 26 Ary hoy izy: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” 27 Hoy anefa ilay vehivavy: “Marina izany, Tompo ô! Fa ny alikakely koa ange mba mihinana ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony e!”+ 28 Dia hoy i Jesosy taminy: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao. Ho tanteraka aminao anie izay irinao!” Dia sitrana tamin’izay ora izay ilay zanany vavy.
-