FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 53:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra,+

      Ka samy nivily nanaraka ny lalanay avy.

      Ary nampitondrain’i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.+

  • Matio 10:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nirahin’i Jesosy izy 12 lahy, ka nomeny toromarika+ hoe: “Aza mankany amin’ny firenen-kafa, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina mihitsy.+ 6 Any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha.+

  • Asan’ny Apostoly 3:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Rehefa avy nanendry an’ilay Mpanompony Andriamanitra, dia tany aminareo aloha izy no nirahiny+ mba hahazoanareo fitahiana, ka hanampy anareo tsirairay hiala amin’ny zava-dratsy nataonareo.”

  • Asan’ny Apostoly 13:46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Dia sahy niteny tamin’izy ireo i Paoly sy Barnabasy hoe: “Tsy maintsy notorina taminareo aloha+ ny tenin’Andriamanitra. Koa satria lavinareo izany ka tsy eritreretinareo hoe mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia ho any amin’ny hafa firenena+ izahay.

  • Romanina 15:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary lazaiko aminareo fa lasa mpanompon’izay voafora+ i Kristy mba hampisehoana hoe milaza ny marina Andriamanitra, ary mba hanaporofoana hoe azo atokisana ilay fampanantenana nataony tamin’ny razamben’izy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara