-
Lioka 22:67-71Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
67 “Lazao aminay raha ianao no Kristy.”+ Fa hoy izy: “Na hoteneniko aminareo aza, dia tsy hino mihitsy ianareo. 68 Ary raha hanontaniako ianareo, dia tsy hamaly. 69 Fa manomboka izao, dia hipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery+ ny Zanak’olona.”+ 70 Dia hoy izy rehetra: “Zanak’Andriamanitra ve izany ianao?” Hoy izy: “Voalazanareo fa izany aho.” 71 Dia hoy ireo: “Inona indray no ilantsika porofo? Isika mihitsy no naheno ny vavany niteny an’izany.”+
-