-
Marka 15:42, 43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Efa harivariva ny andro tamin’izay sady Andro Fiomanana, izany hoe ilay andro alohan’ny Sabata. 43 Dia tonga i Josefa avy any Arimatia. Lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nisikina herim-po izy ka nankany amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.+
-
-
Lioka 23:50-53Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Ary nisy lehilahy iray atao hoe Josefa, izay anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy. Lehilahy tsara toetra izy sady olo-marina.+ 51 —Tsy nanaiky hanohana ny tetika sy ny zava-dratsy nataon’ilay Filan-kevitra izy.—Avy any Arimatia tanànan’ny Jodianina izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra. 52 Nankany amin’i Pilato izy, dia nangataka ny fatin’i Jesosy. 53 Ary nampidininy ilay faty+ ka nofonosiny lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasana iray nolavahana tao amin’ny vatolampy,+ izay mbola tsy nandevenana mihitsy.
-