-
Deoteronomia 21:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Raha misy olona manao fahotana azo anamelohana azy ho faty, ka novonoina+ izy ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo,+ 23 dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny,+ fa tokony halevina amin’iny andro iny ihany. Voaozon’Andriamanitra mantsy izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.+ Tsy tokony holotoinao ny taninao, izay homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.+
-
-
Lioka 23:50-52Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Ary nisy lehilahy iray atao hoe Josefa, izay anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy. Lehilahy tsara toetra izy sady olo-marina.+ 51 —Tsy nanaiky hanohana ny tetika sy ny zava-dratsy nataon’ilay Filan-kevitra izy.—Avy any Arimatia tanànan’ny Jodianina izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra. 52 Nankany amin’i Pilato izy, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.
-