FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 27:57-60
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 57 Rehefa harivariva ny andro, dia tonga ny lehilahy iray mpanankarena avy any Arimatia. Josefa no anarany ary mpianatr’i Jesosy koa izy.+ 58 Nankany amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.+ Dia namoaka didy i Pilato hoe homena azy ilay faty.+ 59 Nalain’i Josefa àry ilay faty ka nofonosiny lamba madio vita tamin’ny rongony tena tsara.+ 60 Dia napetrany tao amin’ny fasany vaovao+ nolavahany tao amin’ny vatolampy ilay izy. Ary nanakodia vato be teo am-baravaran’ilay fasana izy, dia lasa.

  • Marka 15:43-46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Dia tonga i Josefa avy any Arimatia. Lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nisikina herim-po izy ka nankany amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.+ 44 Tian’i Pilato ho fantatra anefa raha efa maty sahady i Jesosy, ka nantsoiny ilay manamboninahitra dia nanontaniany. 45 Rehefa avy naka toky tamin’ilay manamboninahitra àry i Pilato, dia nekeny hoe homena an’i Josefa ilay faty. 46 Rehefa avy nividy lamba rongony tena tsara i Josefa, dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tamin’ilay lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasana+ iray nolavahana tao amin’ny vatolampy. Nanakodia vato teo am-baravaran’ilay fasana izy avy eo.+

  • Jaona 19:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Taorian’izany, dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia, raha azony esorina ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy io Josefa io, saingy tsy niteniteny izy noho ny fahatahorany ny Jiosy.+ Navelan’i Pilato hanao an’izany i Josefa, ka tonga nanala an’ilay faty.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara