-
Matio 9:23-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Rehefa tonga tao an-tranon’ilay mpitantana ny synagoga i Jesosy, dia nahita olona nitsoka sodina sy vahoaka nitabataba,+ 24 ka hoy izy: “Mandehana ianareo mivoaka! Tsy maty io ankizivavy io fa matory.”+ Dia nihomehezan’ireo izy. 25 Raha vao tafavoaka ny vahoaka, dia niditra izy ka noraisiny ny tanan’ilay ankizivavy,+ dia niarina ilay ankizy.+ 26 Ary niely eran’ilay faritra ny resaka momba an’izany.
-
-
Lioka 8:51-56Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
51 Rehefa tonga teo amin’ilay trano i Jesosy, dia tsy nisy navelany hiditra afa-tsy i Petera sy Jaona sy Jakoba ary ny ray sy renin’ilay ankizivavy. 52 Nitomany daholo ny olona sady nikapo-tratra satria nalahelo an’ilay ankizivavy. Koa niteny i Jesosy hoe: “Aza mitomany intsony!+ Tsy maty izy fa matory.”+ 53 Dia nihomehezan’ireo izy, satria fantatr’izy ireo fa maty ilay ankizivavy. 54 Nandray ny tanany anefa i Jesosy, ka niantso hoe: “Ry zazavavy, miarena!”+ 55 Dia nody indray ny ainy,*+ ka niarina avy hatrany+ izy ary nasain’i Jesosy nomena sakafo. 56 Ary faly loatra ny ray aman-dreniny, kanefa tsy navelan’i Jesosy hilazalaza tamin’iza na iza an’izay nitranga izy ireo.+
-