FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 4:31-37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, izy. Ary nampianatra ny olona tamin’ny Sabata+ izy, 32 ka gaga ny olona tamin’ny fomba fampianany,+ satria niteny toy ny olona manana fahefana izy. 33 Ary nisy lehilahy nipetrahan’ny fanahy maloto, na demonia, tao amin’ny synagoga. Nikiakiaka mafy+ izy hoe: 34 “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga atỳ ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!” 35 Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, dia mivoaha aminy!” Koa nivoaka ilay demonia rehefa avy nampianjera an’ilay lehilahy teo afovoan’ny olona, nefa tsy nandratra azy. 36 Dia gaga izy rehetra ka nifampiresaka hoe: “Misy heriny be mihitsy ny teniny! Tena manana fahefana sy hery izy, fa na ny fanahy maloto aza baikoiny fotsiny dia mivoaka!” 37 Koa niely nanerana ny faritra manodidina ny vaovao momba azy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara