-
Matio 8:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Rehefa hariva ny andro, dia be dia be ny olona nisy demonia nentina teo amin’i Jesosy. Niteny fotsiny izy dia nivoaka ny fanahy ratsy. Nositraniny daholo koa izay rehetra narary.
-
-
Lioka 4:40, 41Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Rehefa hilentika ny masoandro, dia nitondra ny marariny tany aminy izay rehetra nanana marary voan’ny aretina samihafa. Nametra-tanana tamin’ny tsirairay tamin’ireny izy, ka nositraniny izy ireny.+ 41 Nivoaka koa ny demonia tamin’ny olona maro, ka niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”+ Noteneniny mafy anefa ireny ka tsy navelany hiteniteny,+ satria fantatr’ireny fa izy no Kristy.+
-