FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 9:3-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia niteny anakampo ny mpanora-dalàna sasany hoe: “Manevateva an’Andriamanitra ilehity.” 4 Fantatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo, ka hoy izy: “Nahoana ianareo no ratsy saina hoatr’izany?+ 5 Fa inona, ohatra, no mora kokoa: Ny miteny hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia mandehana’?+ 6 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak’olona...” Dia hoy izy tamin’ilay malemy: “Mitsangàna, batao ny fandriananao, dia mandehana mody.”+ 7 Dia nitsangana ilay lehilahy ka lasa nody. 8 Gaga be* ny vahoaka rehefa nahita an’izany ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, izay nanome an’izany fahefana izany ho an’ny olona.

  • Lioka 5:21-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa nifampiresaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoe: “Fa iza moa io no manevateva an’Andriamanitra? Fa angaha moa tsy Andriamanitra ihany no afaka mamela heloka?”+ 22 Fantatr’i Jesosy anefa ny tao an-tsain’izy ireo, ka hoy izy: “Inona izany eritreretinareo ao am-ponareo izany? 23 Fa inona no mora kokoa: Ny miteny hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia mandehana’? 24 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak’olona...” Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy: “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.”+ 25 Dia nitsangana teo anatrehan’izy ireo ilay lehilahy, ka nibata an’ilay fandrianany ary lasa nody, sady nanome voninahitra an’Andriamanitra. 26 Ary gaga be ny rehetra dia nanome voninahitra an’Andriamanitra. Sady talanjona izy ireo no raiki-tahotra ka niteny hoe: “Tena niavaka ny zavatra hitantsika androany!”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara