-
Matio 24:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “Makà lesona avy amin’ity fanoharana momba ny aviavy ity: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka manomboka misy raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.+
-
-
Lioka 21:29-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia nilaza fanoharana tamin’izy ireo izy hoe: “Diniho ny aviavy sy ny hazo hafa rehetra.+ 30 Rehefa hitanareo mitsimoka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra. 31 Hoatr’izany koa fa rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. 32 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.+ 33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+
-