FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 26:31-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “Manaova ridao+ amin’ny kofehy manga, sy volonondry volomparasy, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara. Dia horavahana sarina kerobima atao peta-kofehy ilay ridao. 32 Ahantòny amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo akasia ilay izy. Hopetahana takela-bolamena ireo andry, ary volamena no hanaovana an’ireo faraingo eo aminy. Ary hatsatoka amin’ny faladiany volafotsy efatra ireo andry. 33 Ahantòny eo ambanin’ireo faraingo kely ny ridao, ary ento mankao ambadik’ilay ridao ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ilay ridao no hanasaraka ny Masina+ sy ny Masina Indrindra.+

  • Matio 27:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Dia triatra nizara roa+ hatrany ambony ka hatrany ambany+ ilay ridao tao amin’ny toerana masina.+ Nisy horohoron-tany koa tamin’izay, ka nitresaka ny vatolampy.

  • Lioka 23:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 satria tsy nazava ny masoandro. Ary triatra nizara roa teo afovoany+ ilay ridao tao amin’ny toerana masina.+

  • Hebreo 6:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Hebreo 10:19, 20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Sahintsika àry,* ry rahalahy, ny hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina,+ noho ny ran’i Jesosy. 20 Nosokafany* ho antsika izany lalana izany, tamin’izy nandalo teo amin’ilay ridao,+ izany hoe ny nofony.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara