-
Hebreo 9:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Fa naorina ny efitra voalohany tao amin’ny tranolay, ka tao amin’io efitra io no nisy ny fitoeran-jiro+ sy ny latabatra ary ny mofo atolotra.*+ Ary nantsoina hoe Toerana Masina+ io efitra io. 3 Tao ambadik’ilay ridao faharoa+ kosa no nisy an’ilay efitra nantsoina hoe Masina Indrindra.+ 4 Tao no nisy ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ sy ny Vata misy ny fifanekena.+ Nopetahana takela-bolamena+ ilay Vata manontolo, ary tao amin’izy io ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ilay tehin’i Arona nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena.
-