-
Matio 9:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Hoy anefa ny Fariseo: “Ny lehiben’ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.”+
-
-
Matio 12:24-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Hoy ny Fariseo rehefa naheno an’izany: “I Belzeboba* lehiben’ny demonia ihany no ahavitany mamoaka demonia.”+ 25 Fantatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo, ka hoy izy taminy: “Hirodana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na fianakaviana miady an-trano. 26 Hoatr’izany koa fa raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy. Koa raha izany, ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27 Sady raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin’ny alalan’iza àry no amoahan’ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo. 28 Raha amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra anefa no amoahako demonia, dia efa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo akory.*+ 29 Ary ahoana no hahatafidiran’ny olona ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka iray ka hakany ny fananany, raha tsy fatorany aloha ilay lehilahy? Dia izay izy vao afaka mandroba ny ao an-tranony.
-