-
Marka 3:22-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Nilaza koa ny mpanora-dalàna nidina avy any Jerosalema hoe: “I Belzeboba* no ao amin’io, ary ny lehiben’ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.”+ 23 Dia nantsoin’i Jesosy hankeo aminy izy ireo, ka nanao fanoharana tamin’izy ireo izy hoe: “Ahoana no ahafahan’i Satana mamoaka an’i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.+ 25 Raha misy fianakaviana miady an-trano, dia hisaratsaraka izany fianakaviana izany. 26 Koa raha miady an-trano i Satana ka lasa voazarazara, dia tsy haharitra izy fa ho vita hatreo ny aminy. 27 Fa raha misy te hiditra ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka iray mba hangalatra ny fananany, dia tsy maintsy fatorany aloha ilay lehilahy, vao afaka mandroba ny ao an-tranony izy.
-
-
Lioka 11:15-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Hoy anefa ny olona sasany: “I Belzeboba* lehiben’ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.”+ 16 Ny hafa kosa nangataka famantarana+ taminy avy tany an-danitra, mba hitsapana azy. 17 Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo,+ ka hoy izy: “Hirodana izay fanjakana miady an-trano, ary ho rava izay fianakaviana miady an-trano. 18 Hoatr’izany koa fa raha miady an-trano i Satana, dia ahoana no haharetan’ny fanjakany? Milaza mantsy ianareo hoe i Belzeboba no ahavitako mamoaka demonia. 19 Raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin’ny alalan’iza àry no amoahan’ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo. 20 Fa raha ny rantsantanan’Andriamanitra+ kosa no amoahako demonia, dia efa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo akory.*+ 21 Raha matanjaka sy mirongo fiadiana ny lehilahy iray miambina ny lapany, dia ho voaro ny fananany. 22 Raha tonga manafika azy anefa ny olona iray matanjaka noho izy ka mandresy azy, dia ho lasan’io daholo ny fitaovam-piadiana rehetra nitokisany, ka hozarazarain’io izay zavatra nalainy teny aminy. 23 Izay tsy manohana ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko dia manaparitaka.+
-