-
Marka 1:29-31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ary niala tao amin’ilay synagoga izy ireo ka nankany an-tranon’i Simona sy Andrea, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona.+ 30 Nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin’i Simona+ tamin’izay fa nanavy. Tonga dia noresahin’izy ireo tamin’i Jesosy ny momba azy. 31 Nankeo amin’ilay ramatoa àry izy ka nandray ny tanany ary nanarina azy. Dia afaka ny fanaviany, ary nikarakara sakafo ho an’ireo izy.
-