FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 1:29-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ary niala tao amin’ilay synagoga izy ireo ka nankany an-tranon’i Simona sy Andrea, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona.+ 30 Nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin’i Simona+ tamin’izay fa nanavy. Tonga dia noresahin’izy ireo tamin’i Jesosy ny momba azy. 31 Nankeo amin’ilay ramatoa àry izy ka nandray ny tanany ary nanarina azy. Dia afaka ny fanaviany, ary nikarakara sakafo ho an’ireo izy.

      32 Rehefa hariva ny andro ka efa nilentika ny masoandro, dia nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary sy nisy demonia,+ 33 ka nitangorona teo am-baravarana daholo ny tao an-tanàna. 34 Dia nanasitrana olona be dia be voan’ny aretina+ isan-karazany izy, ary namoaka demonia maro. Tsy navelany hiteniteny anefa ny demonia, satria fantatr’ireny fa izy no Kristy.*

  • Lioka 4:38-41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Rehefa avy niala tao amin’ny synagoga izy, dia nankao an-tranon’i Simona. Nanavy be ny rafozambavin’i Simona, ka nangataka an’i Jesosy izy ireo mba hanampy azy.+ 39 Koa nitsangana teo akaikin’ilay ramatoa izy, ary noteneniny mafy ilay fanaviana dia afaka. Tonga dia niarina ilay ramatoa ary nikarakara sakafo ho an’ireo.

      40 Rehefa hilentika ny masoandro, dia nitondra ny marariny tany aminy izay rehetra nanana marary voan’ny aretina samihafa. Nametra-tanana tamin’ny tsirairay tamin’ireny izy, ka nositraniny izy ireny.+ 41 Nivoaka koa ny demonia tamin’ny olona maro, ka niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”+ Noteneniny mafy anefa ireny ka tsy navelany hiteniteny,+ satria fantatr’ireny fa izy no Kristy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara