-
Matio 9:2-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary iny fa nentin’ny olona teo aminy ny lehilahy iray malemy teo am-pandriana. Rehefa hitan’i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin’ilay malemy: “Mahereza, anaka! Voavela ny helokao.”+ 3 Dia niteny anakampo ny mpanora-dalàna sasany hoe: “Manevateva an’Andriamanitra ilehity.” 4 Fantatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo, ka hoy izy: “Nahoana ianareo no ratsy saina hoatr’izany?+ 5 Fa inona, ohatra, no mora kokoa: Ny miteny hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia mandehana’?+ 6 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak’olona...” Dia hoy izy tamin’ilay malemy: “Mitsangàna, batao ny fandriananao, dia mandehana mody.”+ 7 Dia nitsangana ilay lehilahy ka lasa nody. 8 Gaga be* ny vahoaka rehefa nahita an’izany ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, izay nanome an’izany fahefana izany ho an’ny olona.
-