FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 2:3-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nisy lehilahy malemy nentin’ny olona efa-dahy hankeo aminy.+ 4 Tsy afaka nitondra azy teo amin’i Jesosy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Nesorin’izy ireo àry ny tafo teo ambonin’i Jesosy, ary nanao lavaka teo izy ireo ka teo no nampidinany ny fandriana nisy an’ilay malemy. 5 Rehefa hitan’i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo,+ dia hoy izy tamin’ilay malemy: “Voavela ny helokao,+ anaka.” 6 Ary nisy mpanora-dalàna nipetraka teo, ka nieritreritra tao am-pony+ hoe: 7 “Fa maninona koa ilehity no miteny hoatr’izany? Manevateva an’Andriamanitra izy. Fa iza moa no afaka mamela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?”+ 8 Tonga dia fantatr’i Jesosy tany an-tsainy tany anefa ny eritreritr’izy ireo, ka hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no mieritreritra an’izany ao am-ponareo?+ 9 Fa inona no mora kokoa: Ny miteny amin’ilay malemy hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia batao ny fandriananao ary mandehana?’ 10 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany+ ny Zanak’olona...”+ Dia hoy izy tamin’ilay malemy: 11 “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.” 12 Dia nitsangana ilay lehilahy ary tonga dia nobatainy ny fandrianany, ka lasa izy nivoaka teo imason’ny olona rehetra. Gaga daholo àry izy rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy isika!”+

  • Lioka 5:18-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary ireny fa nisy olona nitondra lehilahy iray malemy, nolanjainy teo ambony fandriana. Nitady fomba hampidirana azy sy hametrahana azy teo anoloan’i Jesosy izy ireo.+ 19 Tsy nahita fomba hampidirana azy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Niakatra tany an-tampon-trano àry izy ireo, ary nanesorany ilay tafo tanimanga, dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anoloan’i Jesosy ilay lehilahy teo ambony fandriana. 20 Rehefa hitan’i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Voavela ny helokao.”+ 21 Koa nifampiresaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoe: “Fa iza moa io no manevateva an’Andriamanitra? Fa angaha moa tsy Andriamanitra ihany no afaka mamela heloka?”+ 22 Fantatr’i Jesosy anefa ny tao an-tsain’izy ireo, ka hoy izy: “Inona izany eritreretinareo ao am-ponareo izany? 23 Fa inona no mora kokoa: Ny miteny hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa hoe: ‘Mitsangàna dia mandehana’? 24 Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak’olona...” Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy: “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.”+ 25 Dia nitsangana teo anatrehan’izy ireo ilay lehilahy, ka nibata an’ilay fandrianany ary lasa nody, sady nanome voninahitra an’Andriamanitra. 26 Ary gaga be ny rehetra dia nanome voninahitra an’Andriamanitra. Sady talanjona izy ireo no raiki-tahotra ka niteny hoe: “Tena niavaka ny zavatra hitantsika androany!”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara