FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 9:10-13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Taorian’izay, rehefa nisakafo* tao an-trano izy, dia nisy mpamory hetra sy mpanota be dia be tonga nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany.+ 11 Hoy anefa ny Fariseo tamin’ny mpianany, rehefa nahita an’izany: “Fa maninona ny mpampianatra anareo no miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”+ 12 Henon’i Jesosy izany ka hoy izy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.+ 13 Mandehana àry fantaro ny dikan’ny hoe: ‘Aleoko olona mamindra fo, toy izay olona manao sorona.’+ Fa tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.”

  • Marka 2:15-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Taorian’izay dia nisakafo* tao an-tranon’i Levy i Jesosy. Ary be dia be ny mpamory hetra sy mpanota nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany tao. Maro tamin’izy ireny mantsy no lasa mpanara-dia an’i Jesosy.+ 16 Rehefa hitan’ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo anefa fa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra i Jesosy, dia hoy izy ireo tamin’ny mpianany: “Fa angaha izy miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” 17 Henon’i Jesosy izany ka hoy izy tamin’ireo: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara