-
Matio 8:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Rehefa tonga teny ampita tao amin’ny faritra nisy ny Gadareanina izy, dia nifanena tamin’ny lehilahy roa nisy demonia. Nivoaka avy teny am-pasana izy roa lahy ireo,+ ary faran’izay nahery setra ka tsy nisy sahy nandalo tamin’izany lalana izany. 29 Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Zanak’Andriamanitra?+ Tonga atỳ ve ianao mba hampijaly anay+ alohan’ny fotoana?”+
-
-
Marka 5:2-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Vao niala tao an-tsambokely i Jesosy, dia nifanena tamin’ny lehilahy iray nisy fanahy maloto. Avy teny am-pasana io lehilahy io. 3 Teny amin’ny fasana teny foana izy, ary mbola tsy nisy nahavita namatotra azy mihitsy, na tamin’ny rojo vy aza. 4 Matetika izy no nofatorana tamin’ny gadra vy sy rojo vy, nefa notapahiny ny rojo vy ary nopotipotehiny ny gadra vy. Tsy nisy olona nahatana azy mihitsy. 5 Ary niantsoantso mafy tsy an-kijanona teny am-pasana sy teny an-tendrombohitra izy, na andro na alina, ary nodidididiany tamin’ny vato ny tenany. 6 Vao nahita an’i Jesosy teny lavidavitra teny anefa izy, dia nihazakazaka ary niankohoka teo anatrehany.+ 7 Ary niantsoantso mafy izy, ka niteny hoe: “Fa inona koa no anelingelenanao ahy atỳ,* ry Jesosy Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ô? Asaiko mianiana amin’ny anaran’Andriamanitra ianao mba tsy hampijaly ahy.”+ 8 Efa niteny taminy mantsy i Jesosy hoe: “Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto!”+ 9 Nanontany anefa i Jesosy hoe: “Iza no anaranao?” Ary hoy ilay fanahy maloto taminy: “Andian-tafika no anarako, satria be dia be izahay.” 10 Ary niangavingavy an’i Jesosy izy mba tsy handroaka an’ireo fanahy maloto ireo hiala amin’ilay faritra.+
-