-
Marka 8:27-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin’ireo tanàna any Kaisaria-Filipo. Teny an-dalana, dia nanontaniany ny mpianany hoe: “Iza, hono, aho raha ny filazan’ny olona?”+ 28 Dia hoy ireo taminy: “Jaona Mpanao Batisa.+ Misy koa anefa milaza hoe Elia,+ dia misy miteny hoe ny iray amin’ny mpaminany.” 29 Ary nanontany izy hoe: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?” Dia namaly i Petera hoe: “Ianao no Kristy.”+ 30 Norarany mafy izy ireo tamin’izay tsy hiresadresaka ny momba azy na amin’iza na amin’iza.+
-