FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 14:2-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no lalàna momba ny boka, amin’ny andro anekena azy ho madio, rehefa hoentina any amin’ny mpisorona izy:+ 3 Hankany ivelan’ny toby ny mpisorona, ka hizaha azy. Raha sitrana amin’ny habokany ilay boka, 4 dia hasain’ny mpisorona hitondra an’ireto mba hidiovany: Vorona roa madio sady velona, rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra, ary hysopa.*+

  • Deoteronomia 24:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Rehefa misy voan’ny habokana,* dia araho tsara izay toromarika rehetra lazain’ny Levita mpisorona aminareo.+ Araho an-tsakany sy an-davany izay nandidiako azy ireo.

  • Matio 8:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: “Tiako izany ka! Madiova ianao.”+ Tonga dia sitrana ny habokany ka nadio izy.+ 4 Hoy i Jesosy avy eo: “Tandremo sao miteniteny amin’olona.+ Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona,+ dia atolory ny fanomezana nasain’i Mosesy nomena,+ mba ho hitan’izy ireo fa sitrana ianao.”

  • Lioka 5:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: “Tiako izany ka! Madiova ianao.” Tonga dia niala tamin’ilay lehilahy ilay habokana.+ 14 Dia noraran’i Jesosy ilay lehilahy mba tsy hiteniteny amin’olona. Hoy izy: “Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona, ary satria nodiovina ianao dia manaova fanatitra, araka izay nasain’i Mosesy natao,+ mba ho hitan’izy ireo fa sitrana ianao.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara