FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 16:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Nanomboka teo dia nanazava tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tsy maintsy mankany Jerosalema izy, dia hampijalijalin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.+

  • Matio 20:17-19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Rehefa niakatra ho any Jerosalema i Jesosy, dia nentiny nihataka kely ny mpianatra 12 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo teny an-dalana:+ 18 “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona. Dia homelohin’izy ireo ho faty izy,+ 19 ary hatolony amin’ny hafa firenena mba hihomehezany sy hokaravasiny ary hovonoiny eo amin’ny tsato-kazo.+ Dia hatsangana izy amin’ny andro fahatelo.”+

  • Marka 10:32-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary niakatra ho any Jerosalema izy ireo. Dia nandeha teo alohan’ny mpianatra i Jesosy, ka gaga izy ireo. Ny olona nanaraka azy anefa natahotra. Ary nentiny nihataka kely indray izy 12 Lahy, ka niresahany an’izao zavatra efa hitranga aminy izao:+ 33 “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona. Dia homelohin’izy ireo ho faty izy, ary hatolony amin’ny hafa firenena, 34 ka hihomehezan’ireny sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty. Hitsangana anefa izy rehefa afaka telo andro.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara