FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 20:17-19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Rehefa niakatra ho any Jerosalema i Jesosy, dia nentiny nihataka kely ny mpianatra 12 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo teny an-dalana:+ 18 “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona. Dia homelohin’izy ireo ho faty izy,+ 19 ary hatolony amin’ny hafa firenena mba hihomehezany sy hokaravasiny ary hovonoiny eo amin’ny tsato-kazo.+ Dia hatsangana izy amin’ny andro fahatelo.”+

  • Marka 8:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanomboka nampianatra azy ireo koa izy hoe tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak’olona, ka holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty,+ ary hitsangana rehefa afaka telo andro.+

  • Marka 9:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 satria te hampianatra ny mpianany izy. Dia niteny taminy izy hoe: “Efa hisy hamadika ny Zanak’olona dia hatolotra eo am-pelatanan’ny olona, ka hovonoiny ho faty.+ Na maty aza anefa izy, dia hitsangana rehefa afaka telo andro.”+

  • Lioka 9:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Hoy koa izy: “Tsy maintsy hampijalijalina ny Zanak’olona ka holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina ho faty,+ ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+

  • Lioka 18:31-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia nentiny nihataka kely izy 12 Lahy, ka hoy izy: “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary ho tanteraka daholo izay rehetra nosoratan’ny mpaminany momba ny Zanak’olona.+ 32 Hatolotra amin’ny hafa firenena,+ ohatra, izy ary hihomehezany+ sady halany baraka ary hororany.+ 33 Dia hokaravasiny ny Zanak’olona, ary avy eo dia hovonoiny ho faty.+ Hitsangana anefa izy amin’ny andro fahatelo.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara