FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 26:69-75
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 69 Nipetraka tany ivelany, tany an-tokotany, i Petera tamin’izay. Ary nisy mpanompovavy nanatona azy ka niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!”+ 70 Nanda teo anatrehan’ny olona rehetra anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izany zavatra resahinao izany.” 71 Rehefa nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady izy, dia nisy ankizivavy hafa indray nahita azy ka niteny tamin’ny olona teo hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io!”+ 72 Dia nanda indray izy sady nianiana hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!” 73 Rehefa afaka kelikely, dia nanatona an’i Petera ny olona nijorojoro teo ka niteny hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, fa tonga dia fantatra amin’ny fiteninao.”* 74 Dia nanomboka niozona* sy nianiana izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy ho’aho izany lehilahy izany!” Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno. 75 Dia tsaroan’i Petera ilay nolazain’i Jesosy hoe: “Mbola tsy maneno akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.

  • Marka 14:66-72
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 66 Raha mbola tao ambany tany an-tokotany i Petera, dia tonga ny iray tamin’ny mpanompovavin’ny mpisoronabe.+ 67 Raha vao nahita an’i Petera nitanina afo izy, dia nijery azy tsara sady niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’io Jesosy avy any Nazareta io.” 68 Nanda anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izy sady tsy azoko izany zavatra resahinao izany.” Dia lasa izy nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady. 69 Nahita azy teo ilay mpanompovavy, dia niteny indray tamin’ireo nijorojoro teo hoe: “Naman-dry zareo io.” 70 Nanda indray anefa izy. Ary rehefa afaka kelikely, dia niteny tamin’i Petera indray ireo nijorojoro teo hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, fa Galilianina.” 71 Nanomboka niozona* sy nianiana anefa izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy ho’aho izany lehilahy resahinareo izany!” 72 Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno fanindroany.+ Dia tsaroan’i Petera ilay nolazain’i Jesosy taminy hoe: “Mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Dia nalahelo be izy ka nanomboka nitomany.

  • Jaona 18:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Nijoro nanodidina ny afon-tsaribao nampirehetiny teo ny mpanompo sy ny mpiambina, satria nangatsiaka ny andro. Nitanina afo izy ireo, dia mba nijoro nitanina afo teo koa i Petera.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara