FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 14:66-72
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 66 Raha mbola tao ambany tany an-tokotany i Petera, dia tonga ny iray tamin’ny mpanompovavin’ny mpisoronabe.+ 67 Raha vao nahita an’i Petera nitanina afo izy, dia nijery azy tsara sady niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’io Jesosy avy any Nazareta io.” 68 Nanda anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izy sady tsy azoko izany zavatra resahinao izany.” Dia lasa izy nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady. 69 Nahita azy teo ilay mpanompovavy, dia niteny indray tamin’ireo nijorojoro teo hoe: “Naman-dry zareo io.” 70 Nanda indray anefa izy. Ary rehefa afaka kelikely, dia niteny tamin’i Petera indray ireo nijorojoro teo hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, fa Galilianina.” 71 Nanomboka niozona* sy nianiana anefa izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy ho’aho izany lehilahy resahinareo izany!” 72 Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno fanindroany.+ Dia tsaroan’i Petera ilay nolazain’i Jesosy taminy hoe: “Mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Dia nalahelo be izy ka nanomboka nitomany.

  • Lioka 22:54-62
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 54 Dia nosamborin’izy ireo izy ka nentiny+ nankao an-tranon’ny mpisoronabe. Fa i Petera kosa nanaraka teny lavidavitra teny.+ 55 Rehefa nandrehitra afo teo afovoan’ny tokotany izy ireo ka niara-nipetraka teo, dia nipetraka teo niaraka tamin’izy ireo koa i Petera.+ 56 Nahita azy nipetraka teo akaikin’ny afo anefa ny mpanompovavy anankiray ka nandinika azy tsara, ary niteny hoe: “Io lehilahy io koa niaraka taminy.” 57 Nanda anefa izy hoe: “Tsy fantatro izy, ravehivavy!” 58 Taoriana kelin’izay dia nisy olon-kafa indray nahita azy, ka niteny hoe: “Naman-dry zareo koa ianao.” Fa hoy i Petera: “Tsy naman-dry zareo aho.”+ 59 Adiny iray teo ho eo taorian’izay, dia nisy lehilahy iray hafa nanizingizina hoe: “Tena niaraka taminy mihitsy io lehilahy io, fa Galilianina!” 60 Hoy anefa i Petera: “Tena tsy fantatro izany lazainao izany.” Ary tonga dia nisy akoho naneno, raha iny izy mbola niteny iny. 61 Dia nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera. Ary tsaroan’i Petera ilay tenin’ny Tompo taminy hoe: “Mbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia handa ahy intelo ianao.”+ 62 Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.

  • Jaona 18:15-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nanaraka an’i Jesosy i Simona Petera sy ny mpianatra iray fantatry ny mpisoronabe.+ Dia niditra tao an-tokotanin’ny mpisoronabe niaraka tamin’i Jesosy ilay mpianatra, 16 fa i Petera kosa nijanona tao ivelany, teo am-bavahady.* Nivoaka àry ilay mpianatra fantatry ny mpisoronabe, dia niresaka tamin’ny mpiandry vavahady ka nampiditra an’i Petera. 17 Ary hoy ilay mpanompovavy mpiandry vavahady, tamin’i Petera: “Tsy mpianatr’io lehilahy io koa ve ianao?” Hoy i Petera: “Tsy mpianany aho ka!”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara