-
Matio 27:27-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary nentin’ny miaramilan’ny governora nankao an-tranon’ny governora i Jesosy, dia novorin’izy ireo nanodidina azy daholo ny miaramila.+ 28 Dia nesorin’izy ireo ny akanjon’i Jesosy, ka nampitafiany lamba mena midorehitra izy.+ 29 Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo ka nataony teo amin’ny lohan’i Jesosy, dia nasiany bararata teny an-tanany ankavanana. Ary nandohalika teo anatrehany izy ireo, dia nanesoeso azy sady niteny hoe: “Miarahaba anao,* ry Mpanjakan’ny Jiosy!”
-
-
Marka 15:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nentin’ny miaramila nankao amin’ny tokotany tao amin’ny tranon’ny governora izy, ka novorin’izy ireo daholo ny miaramila.+ 17 Dia nampanaovin’ireo lamba volomparasy izy. Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo, dia nataony teo amin’ny lohany.
-