-
Genesisy 41:40-46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Ianao no hiandraikitra ny ankohonako, ary hankatò an’izay teneninao ny vahoakako rehetra.+ Zavatra iray fotsiny no mahatonga ahy ho ambony noho ianao, dia ny hoe izaho no mpanjaka.”* 41 Hoy koa i Farao: “Manendry anao hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo aho.”+ 42 Dia nesorin’i Farao ny peratra fanombohan-kase teny amin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa. Ary nampitafiany lamba rongony tena tsara koa izy sady nasiany rojo volamena ny vozony. 43 Nasainy nitaingina teo amin’ny kalesy faharoan’i Farao koa izy, dia nisy olona niantsoantso teo alohany hoe: “Avreka!”* Toy izany no nanendren’i Farao azy hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo.
44 Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: “Izaho no Farao, nefa tsy misy mahazo manao na inona na inona* eran’i Ejipta,+ raha tsy omenao alalana.” 45 Taorian’izay, dia nataon’i Farao hoe Zafenata-panea ny anaran’i Josefa, ary nomeny ho vadiny i Asenata,+ zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona.* Dia nanomboka nitantana* an’i Ejipta i Josefa.+ 46 Ary 30 taona+ i Josefa tamin’izy nanomboka niasa ho an’i* Farao mpanjakan’i Ejipta.
Dia niala teo anatrehan’i Farao i Josefa ka nitety an’i Ejipta manontolo.
-