-
Deoteronomia 16:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Hanisa fito herinandro ianao, dia hanomboka hanisa an’ireo fito herinandro ireo, amin’ny andro voalohany hampiasanao antsim-bary mba hijinjana ny vokatra eny an-tsaha.+ 10 Dia ankalazao ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny Fetin’ireo Herinandro,+ ka ento eny an-tananao ny fanatitra an-tsitrapo, arakaraka ny fitahiana omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 11 Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao, any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany.+ Hifaly any koa ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita ao an-tanànanao,* ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminao.
-