-
Deoteronomia 12:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mandehana kosa any amin’izay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.+ 6 Any ianareo no tokony hanatitra ny fanatitra dorana,+ ny sorona, ny ampahafolon-karena,+ ny fanomezana avy aminareo,+ ny fanatitra fanefana voady, ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+ 7 Dia any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo+ sy hifaly amin’izay rehetra hataonareo,+ satria efa notahin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
-