7 Nampijalina+ sy nanaiky hampahorina izy,+
Nefa tsy mba niteny mihitsy.
Nentina hoatran’ny ondry hovonoina izy,+
Hoatran’ny ondrivavy mangina eo anatrehan’ny mpanety azy,
Ka tsy niteny mihitsy.+
8 Noho ny fampahoriana sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy.
Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?
Nesorina hiala tamin’ny tanin’ny velona izy.+
Nokapohina koa izy noho ny heloky ny vahoakako.+