-
Levitikosy 7:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “‘Aza mihinana ra,+ na ram-borona izany na ram-biby hafa, any amin’ny toerana rehetra ipetrahanareo.
-
-
Levitikosy 17:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “‘Raha misy amin’ny Israelita na ny hafa firenena monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany,+ ka hototofany vovoka.
-
-
1 Samoela 14:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Nifandrombaka naka ny zavatra azo babo àry izy ireo, ka naka ondry sy omby ary zanak’omby, dia namono an’ireny teo amin’ny tany. Ary nohanin’izy ireo niaraka tamin’ny rany+ ny hena. 33 Koa nisy niteny tamin’i Saoly hoe: “Manota amin’i Jehovah ny olona, fa mihinana hena miaraka amin’ny rany.”+ Dia hoy i Saoly: “Efa nivadika ianareo. Manakodiava vato lehibe manketỳ amiko izao dia izao.”
-